AOVIVAORHE MADAGASCAR

AOVIVAORHE MADAGASCAR

AOVIVAORHE

 

AOK'IZAY !

OVAO NY TOE-TSAY !

VY VERY NY AY !



Inona ary no tsy nety ?


Toko tapaka, vilany mitongilana ; izay tsy mety arenina ! Fa izay nanao ka tsy nambinina kosa dia hampiana fa havan’ory. Mora ny miteny, fa sarotra ny manao zavatra ; ka tsy maintsy jerena akaiky sy amin’ny maso tsy miangatra izay tsy mety.


Inona no hatao ?


Tsy fanao intsony ny mitavandra lalandava izay hataon’ny sasany na miandry ny valala hilatsaka hatreny an-danitra : ampio ny tenanao dia hampian’ny lanitra ianao. Ary rehefa hety ny hatao, na dia ny saobakaka aza mampidi-drano ketsa. Ary rahefa tsy hety, na dia ny patsa iray tsy homby vava.


Ka vonona amin’ny ezaka hatao ve ?


Tsongoy fen-tena, tsongoy fen’olona…Tsy maintsy arindra araka ny laharam-pahamehana ny atao : tsy hitsambiki-mikipy, na hanao vokom-posa, ary tsy hanao dingan-dava sao midaraboka. Tsy handeha tsy amin’ny fotoanany ny zavatra rehetra ka tokony hatao isan’ambaratongany.

I- AOK’IZAY !


Tsy hisy zavatra hilamina, tsy hisy zavatra handroso raha tsy tonga saina ny Malagasy tsirairay, ary hitsangana sy hilaza hoe “AOK’IZAY” !

Aok’izay ny adiady isan-karazany : adilahy, ady an-trano, adim-poko…

Ny hevitra no ampiadiana fa tsy ny olona. Ny ady an-trano mampisara-mianakavy, ny adim-poko mampisara-bazana sy manimba fihavanana : “Toy ny ladim-boatavo ny olombelona ka raha fotorana iray ihany” ; ny adilahy mahakely saina sy mahakely hevitra, tsy manampy hitsinjo ny lavitra sy ny ho avy : ny hevitry ny maro mahataka-davitra, fa ny hevitr’olon-tokana manodidina ny vilany.

Izay mamory amin’ny tsy nisasarany naman’ny mpangalatra ; izay mioty amin’ny tsy namboleny, mpanararaotra sy mpitsentsitra ny herim-pon’ny sasany (parasites) ; ary izay manao sinto-mahery amin’ny tsy niompiany, dia mpanabotry Firenena sy fahavalon’ny mpiray Tanindrazana.

Ny kabary tsy arahan’asa dia toy ny akofa maniditsidina.

Lazaina fa ny tombon-tsoa tsara zara ; nefa mba inona no tombotsoa azon’ny tsirairay avy hatramin’izao ?

Natao ny famahoana ny fampianarana, nefa vitsy dia vitsy ny nahitahita sy tafita noho ny risoriso sy teti-pihinana samihafa.




Niroso teo amin’ny famokarana maharitra (développement durable et équitable) ny fanjakana manaraka ; ny lokony ihany no niova fa dia olom-bitsy na olon-tokana sy


orin’asa tokana ihany no tena nandroso sy namokatra, fa ny besinimaro dia tavela amoron-dalana, tsy mba tafakatra tao anatin’ny Taxi-brousse tsy mialon-jafy (lazaina ho fiaran’ny Tantsaha, nefa tsy nisy na dia Tantsaha iray fotsiny aza).

Nolazaina fa hadio tanana daholo ny mpandraharaha sy ny mpitrandraka rehetra, saingy zary nadio ivelany toy ny fasam-bao ilevenan’ny fanantenam-bahoka rehetra ; noho ny tsikombakomba sy ny teti-panorina tsara lamina dia nadio ny rano nitany, fa ny tanany feno maloto sy ny ran’ny tsy manan-tsiny, izay naroso hisolo vaika ny mangetaheta fahefana sy mpanongam-panjakana.


II- OVAO NY TOE-TSAY’


Ny soa fianatsa ; ny mahomby fitaratra ; ka raha te-hahazo mba manaova, fa aza manao sinto-midina na mialona izay tafita tamim-pahamendrehana.

Alao hery ! Ento miakatra ny Firenena !

Izay miziriziry amin’ny heviny dia olona vendrana (il n’y a que les idiots qui ne changent pas d’avis).

Eo amin’ny fifanakalozan-kevitra, dia ilaina ny fandeferana sy ny fifanazavana, fa tsy hanao teniko fe lehilahy : olon-droa mifanojo ambony tahalaka, ny adala manohy ihany, ny hendry mandefitra ; tsy manambany izany, fa maneho ny fahamboniana sy fahendrena ary fandeferana. « Ny tsihy no fola-mandefitra fa ny olona tsy mba fola-mandefitra ».

Tsy hiandrandra olona fa ho andrandrain’olona ; tsy hiandry raha ho trotraka (latsaka) fa mba hikatsaka sy hitady.

Ny zoto no arahan-jara, ary ny sitra-po no enti-manana. Ny asa no fototry ny fahombiazana ; ny vintana tsa mirodorodo, ary ny anjara tsa miolaka ; fa ny sitra-po no enti-manatanteraka.

Ny tarehy ratsy tsy azo ovana, fa ny fanahy ratsy azo ovana ; tany mena tsy mirehitra, nefa asao sy asio zezika dia ho hitanao ny vokany. Tsy misy mangidy tsy andramana, ka aza mitady tany malemy hanorenam-panady.

Latsaka an-katerana ny Firenentsika : handroso maty raibe, hihemotra maty renibe ; tery dia tery ny safidy ka “aleo mandroso ho faty toy izay miverin-ko may”. Sao dia handositra ny fasa-mangaika ka ho sendra ny mpihinan’olona.


Roso toy tsa mipody koa” ; atrehi-mahefa, iambohoa-mahavita ; Malagasy tompon’andraikitra, Malagasy mahavita azy ; izany no fenitra vaovao.


III- VY VERY NY AY’ !


Tsy hisy ariary zato am-pandriana ( angamba “iray hetsy” ; efa lanja miakatra ny fiainana) ;

Ny valala tsy azo tsy andrian’ilika.

Ny nofinofy tsy mba zava-misy (ne pas prendre ses rêves pour des réalités) ; tsy maintsy mikely soroka hatrany, ary manao « vy very ny ainy”, mba samy ho tafita ; mila ezaka goavana ny asa hatao mba ho tomombana ny zava-drehetra.


Ka tokony harindra araky ny laharam-pahamehana ny ambaratongam-paniriana :


Dingana 1 : FIVELOMANA SY FITSINJOVANA


Ho an’ny velona rehetra dia ny fivelomana no laharam-pahamehana voalohany ; tsy vitan’ny hoe mivelona anio fotsiny tsy akory fa tsy maintsy mitsinjo ny ampitso koa : raha noana ny kibo dia mivezivezy ny fanahy ; tsy mety hitombon-tsaina ny olona tsy ampy fivelomana fa ho feno ahiahy mandrakariva, ary hitady izay fomba rehetra hamenoany ny kibony sy ny an’ny ankohonany. Rahefa hita ny tokinaina androany dia tsy maintsy mikaroka ny ho rahampitso : mahay mitsinjo vody andro merika. Mila fahaizana ny fivelomana : mahaiza manetsa Ravaly, fa hafa ny anio sy ny omaly ; mivoatra mandrakariva ny fanirian’ny olombelona, ka izay nahafa-po omaly mety tsy hahafa-po intsony anio na rahampitso ; mivoatra ny toetr’andro, ka tsy maintsy mivoatra koa ny fomba amam-panao. Nefa rahefa hety ny hatao, na dia ny saobakaka aza mampidi-drano ketsa.



Dingana faha-2 : FITANDROVANA SY FITAHIRIZANA


Tsy maintsy tandrovana hatrany ny filaminana mba hahazoana miasa amin’ny fomba ara-dalana. Raha tsy milamina ny Tany sy ny Fanjakana, dia tsy hisy zavatra azo atao ; fa hitebiteby lava toa ny saobakaka ambany riana. Toa izany koa ny tahiry : raha tsy milamina ny fiaraha-monina dia zava-poana ny tahiry, satria na dia ny mpifanolo-bodirindrina dia tsy hifampatoky, noho ny amin’ny tampim-baravarana. Ka dia ho kivy izay te-hanao izay faratratry ny heriny, satria mety hitatatra ho andrain’i Lezafy ; ary ny tsy mataho-tody dia hioty amin’izay tsy nisasarany. Ho very hevitra izay nahavokatra, ka hitady lalana hamarinana haingana izay azo ; dia veloma ny fitsinjovana ny ho avy : tano ny haza fa sarotra ny mila. Ary aza manao tokan-tranom-boalavo ka izay haza karepohina avokoa. Fa ny dahalo dia tokony hatao haza lambo.








Dingana faha-3 : FAMOKARANA SY FIKATSAHANA


Ilaina ny fanabeazam-boho ny tany hahazoana mivelona ; ary mbola ilaina mihoatra izany ny fikarohana hahitana fomba vaovao ho enti-mamokatra sy hahatsara kokoa ny fanabeazam-boho ny tany. Izay fatra-piava no mahavokatra. Izay tia karokaroka no hahita sy handalim-pahaizana, fototry ny fivelarana sy fandrosoana. Izay tsy manao fikatsahana sy fikarohana dia tsy hivoatra na oviana na oviana, ary tsy hahita zava-baovao sy mahasoa.



Dingana faha-4 : FIHAVANANA SY FARIMBON’ASA


Ny fitia tsy mba hetra ; nefa ny mpifankatia na ny mpihavana tsy mifanampy dia toy ny mpifankatia tsy mifamarafara, ka very ny androatokom-pihavanana. Ny fihavanana no ifampifehezan’ny trano atsimo sy avaratra, ka izay tsy mahalena ialofana. Nefa ny tao-trano tsy vitan’irery ka tokony hisy eo amin’ny mpiara-monina ny

farimbon’asa araham-balitanana ; fitia mifamaly maha tsara fihavanana, fitia tsy mivaly mahafohifohy fisainana. Ary ny ahiahy tsy hihavanana. Raha misy ny tsy mety dia tokony hifanatrika mandrakariva hanao « raharaham-pihavanana ».



Dingana faha-5 : FAHASAMBARANA SY FIVELARANA


Raha tanteraka soa aman-tsara ny dingana efatra voalohany dia tsy lavitra intsony ny fahasambarana sy ny fahasafoanonoka tanteraka.


Sambatra izay manana fivelomana sy mahay mitsinjo ;

Sambatra izay mahay mitandro ny fananany sy mitahiry ;

Sambatra izay mamokatra sy tsy mitsaha-mikatsaka ;

Sambatra ny tia fihavanana sy manaja ny farimbon’asa ;


Ireo dingana efatra ireo no hitarika amin’ny tena hasambarana sy fivelarana ;

Tsy afaka hivelatra amin’ny hafa na amin’ny mpiara-monina izay tsy ampy fivelomana, fa hisitrika sy hanafina ny tsy fananany ; tsy afaka hivelatra amin’ny ho avy izay tsy mahay mitsinjo satria na ny ampitso aza dia tsy hainy ny hanjo azy ; tsy afaka hivelatra amin’ny atao izay tsy mahay mitandro ny fananany na tsy manana tahiry ;

Tsy hanana fivelarana amin’ny tontolo iainany izay tsy mahay mamokatra ; ary tsy hanana fivelaran-tsaina izay tsy mikatsaka sy tsy mikaroka ;

Tsy hivelatra ary tsy hamelana ny fiaraha-monina raha tsy misy ny fihavanana ; tsy hivelatra sy hiroborobo ny toe-karena raha tsy misy ny farimbon’asa sy fifanampiana ;

Izany rehetra izany no andry hijoroan’ny fahasambarana sy fivelarana amin’izao tontolo izao angatahin’ny toetr’andro;


Izany no tarigetra voafaritra ao amin’ny hiram-pirenentsika hoe : “Hiadana sy ho finaritra ; ê sambatra tokoa izahay” ; na ilay anankiray mitovy aminy hoe : “Dia ho sambatra tokoa ilay Madagasikaranay sy ny Malgasy”.



TSY HISARA-MIANAKAVY NA INON-KIDONA NA INO-KANJO !

VELONA IRAY TRANO ! MATY IRAY FASANA !


FAMARANANA :


AOK’IZAY, izay zavatra tsy metimety sy lesodesoka ;


OVAO NY TOE-TSAINA hirosoana amin’ny fihetsika vaovao ; hifampitantana sy hiara-mandroso ;


HANAO VY VERY NY AINA, mba ho tafita ny besinimaro ;





MANDATEHEZANA TSARA ORINA afaka hilaza hoe : AOK’IZAY !


HITANTANA AN’I MADAGASIKARA HALAKY MANDEHA sy hiroso eo amin’ny TOE-TSAINA VAOVAO !


MITABE TSY LANIN’NY MAMBA hanao VY VERY NY AINA !





Professeur RABEMAHARO Jacques

Docteur en Droit de l’Université de TOULOUSE

(Professeur d’Economie et de Gestion tri-admissible à l’ Agrégation)



17/11/2011
0 Poster un commentaire

Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 27 autres membres