AOVIVAORHE MADAGASCAR

AOVIVAORHE MADAGASCAR

APPEL A LA RESISTANCE : ZOVIZA ???

MIFOHAZA RY MALAGASY,MITSANGANA RY TANORA!!!MILA ANAO NY FIRENENA,MILA ANAO I MADAGASIKARA...

dimanche 28 novembre 2010

VALIN-KAFATRA SY FAMPAHEREZANA (FEO SY SORATRA)AVY @ FILOHA MARC RAVALOMANANA


vij 02 101127 PRM Valikafatra sy fampaherezana

HAFATRA AN-TSORATRA
Miarahaba anareo izay tonga mivory ao aho !
Ny zava-dehibe indrindra dia ny fitiavan-tanindrazana, tsy maintsy mijoro hatramin‘ny farany ho an'ity Firenena ity isika. Mbola manome hery anareo foana aho fa ny fitiavana ny taranaka no maha-Malagasy ny Malagasy. Hatramin'ny maha Malagasy ny Malagasy dia mbola tsy nisy fitondrana nanao toa izao, na dia tamin‘ny taona 47 aza.
Misy feo tonga aty amiko manao hoe:"Omenay vola ianao Atoa Filoha hamerenanao ireo fanananao may sy simba ireo na ohatrinona na ohatrinona, raha toa ka hody any Madagasikara ianao ka tsy mirotsaka ho Prezidà'ny Repoblika". Navaliako azy fa tsy ny fitiavana ho tonga Filohan‘ny Repoblika no mahamaika ahy fa ny hanavotana an‘i Madagasikara toy izay efa nataonay nandritra ny 7 na valo taona.
I Maorisy sy La Réunion no tena fantatr‘izao tontolo izao fa tsy i Madagasikara talohan‘ny 2002. Tiako ny manamarika fa nanao izay azo natao isika hiditra ho mpikambana ao amin‘ny SADC. Fantatro fa mampandroso ny firenena Afrikana ny vondrom-paritra toy ny SADC, COMASA, CDAO sy ny vondrona maro hafa koa dia niditra i Madagasikara amin‘ireo vondrona ireo. Nolazaina anefa fa tokony hamafisina ny COI. Firenena vitsy ny COI izay tsy ahitàna hafa tsy Maorisy, Seisela ary Komaoro ka tsy afaka hilahatra amin‘ny Firenenay, hoy aho.
Tsy makany La Réunion na Parisy ny 99% ny Malagasy. Tsy mety ny manaiky fontsiny manao hoe "yes man“ na "oui monsieur“. Ny nampandroso an‘i Madagasikara dia noho ny fananako ny maha-izy ahy sy ny fahafahako mifidy izay tany tiako aleha fa tsy miera. Izany no nahazoantsika ireny fientanan‘ny hari-karena mahatratra 7% ireny. Izany no nahazoantsika fanampiana hanaovana sekoly avy tamin‘ny Amerikana sy ny Norvezianina izay Madagasikara no voalohany nahazo ny MCC. Tsy fitiavam-bola na seza no mibaiko ahy, fa fitiavana hiasa hanavotana ny firenena.

Minoa ianareo, henoy tsara aho. Na dia sarotra aza ny làlana dia mijoroa noho ny fitiavana ny Firenentsika.


Manao izay azoko atao aho aty noho izany.


Tsy azo atakalo vola na amidy i Madagasikara.

"Ohatrinona hoy izy no tadiavinao ?" Nolazainy fa omena 1.500.000.000 € na $ ny tenako, vola mariky ny firaisan-kina omen‘ny OIF. Tsy mahaliana ahy izany, tsy mampahery ahy izany.

Koa mampahafantatra anareo aho fa ho tonga aminareo izao hafatra izao hoe:"Ekeo io drafitra io fa izao no fepetra“. Aza manao izany taratasy izany. Efa nanao sonia izy (Rajoelina) tany Maputo fa nivadihany. Izany ve no làlan‘ny demokrasia ? Tokony hitovy hevitra isika.


Firenena firy moa aty no manantona ahy miangavy hanaovana drafitra toy ny MAP.

Mangataka fiaraha-miasa amiko izy ary milaza ireo fa hanome tany. Ampianaro anay ny fitondrana nataonao taloha. Madagasikara no jereko.
Maheno aho aty fa misy ao amin‘ny Mouvance Ravalomanana efa manaiky izany drafitra izany ary milaza fa manaiky koa ny tenako. Tsy marina izany na natao izay hampitana vaovao. Mety hisy iray na roa voasarika amin‘io hevitry ny Frantsay io. Tsy maintsy jerena izany.
Tsy izao fifidianana izao fotsiny no mahamaika ahy. Ny zava-dehibe dia ny hahitàna sy hamerenana ireo vola avy amin‘ny Fitondrana Amerikana sy Japoney.
Hanampy antsika koa ny Vondrona Eoropeana. Misy 27 izy ireo. Firenena iray monja amin‘izy ireo no tsy manaiky ny zavatra vitantsika hatramin‘izay.
Lazaiko ianareo fa vao avy nandray ny delegasionina Alemana aho. Koa milaza aminareo aho hoe mijoroa foana aza kivikivy izany fa atanjaho ny saina. Tsy maintsy vitantsika io.
Vao teo koa aho no niresaka tamin‘ny Talen‘ny Radio Fahazavàna.Andriamanitra andritsika manam-pinoana. Koa mampahery anareo aho hoe ataovy izay vitanareo any.

Ny arosony ao dia hoe araho ity drafitra ity. Drafitra frantsay io, tsy ekena. Ny lalana arahin‘izany dia makany amin‘i GIC sy any Addis Abeba aloha vao hanaovana fanapahan-kevitra. Ka ny vahoaka malagasy no tompon‘ny fahefana. Ny Ankolafy Ravalomanana tsy manaiky izany koa aleo ny vahoaka no Andriamanjaka hifidy anaty fifidianana malalaka. Misy fitaka be ao. Fa satria ve izy nanohana ahy dia hanamby ahy ! Fitiavako io. Alaivo saina tsara fa hoe tena mafy amin‘ny fianakaviako ny te hody sy ny Tiko. Ny antony tsy hanodinako an‘io dia tsotra mamiko ny aiko. Betsaka loatra ny fahavoazan‘ny malagasy 20 tapitrisa. Fa ry zareo aty milaza amiko fa averina hody ny fianakaviako averina amiko ny Tiko. Ny mahamaika ahy dia ny hamonjena ny vahoaka malagasy. Ny henesorana ny merisenera,ny hanjakan‘ny demokrasia sy ny fahalalahana hiteny, fa tsy ny fisamborana lavareny izao.


Tsy maintsy mody aho raha vao tafatsangana ny tetezamita iraisana.


(tehaka)


Ny antony tsy ahafahako mody ankehitriny dia satria arovan‘ny SADC ny aiko. Nanome miaramila hiambina ahy ny SADC raha vao mipetraka ny tetezamita.

Tsy maintsy mody any aho fa any tanindrazako.


02/12/2010
0 Poster un commentaire

Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 27 autres membres