AOVIVAORHE MADAGASCAR

AOVIVAORHE MADAGASCAR

FANAMBARANA LEHIBE

 

'NDAO !!! HIROTSAKA AN-TSEHATRA

ANTSO HO AN'NY VAHOAKA MALAGASY

FANAIRANA HO AN'NY MPITONDRA ANKEHITRINY

FAMPAHATSIAHIVANA HO AN'NY MPITONDRA TEO ALOHA

FAMPITANDREMANA NY VONDRONA IRAISAM-PIRENENA



VALALA AZON'ADALA NY VAHOAKA MALAGASY


Ny adalan'ny hafa ihomehezana, fa ny adalan'ny tena saroman-damba.

Ny mampalahelo dia toy ny « VALALA VOATANGO NY VAHOAKA MALAGASY KA VERY FANAHY MBOLA VELONA » : ny an-tanan-dany, ny ho raofina tsy misy ; mitsako tsy misy, tsy mahalala izay ho ampitso ; very haja sy very hasina ary hitsakitsahin'ny tsy mataho-tody, sy ataony tohatra fiakarana fotsiny ; « TOY NY FARY VOAFIKA KA REHEFA LANY NY MAMY DIA ATSIPY ; NA SOAVALY ANTITRA KA TSY MISY MPANAFOSAFO INTSONY ».

Mihory taolana efa lany nofo ; « VALALA AZON'ADALA : BORY NY ELATRA KA TSY AFA-MANIDINA, TAPAKA NY FINGO KA TSY AFA-MANIPAKA ». Mihetsiketsika an-toerana, ka tsy afa-mandroso ; mandroso mihemotra toa lelon-jaja ; mongomongo ka miandry izay hahafatesana.

Rafotsibe very laona ka miandry izay higadonany : toko tapaka, vilany mitongilana, ka izay tsy mety tokony harenina.


SA HATAO ODIAN-TSY HITA TOY NY KARY AM-PAMOLOANA ? KA SAMY HANAO ARINA AN-TAVA ! NY VALALA VOATANGO TSY MAHARAKA NY NAMANY ARY NY OMBY MAHIA TSY MBA LELAFIN'NY NAMANY.


TANTELY AFA-DRAKOTRA NY TANINTSIKA KA ANDIHIZAN'IZAO ADALA REHETRA IZAO


Manankarena an-kibon'ny tany tsy voatanisa i Madagasikara, tontolo iaianana tsy fahita intsony na aiza na aiza, harena an-dranomasina tsy hita pesipesenina, vahoaka hendry sy tia filaminana nanjakan'ny fihavanana.

Noho io toe-tsaina tia fihavanana io dia noararaotin'ny sasany ny hanitsakitsaka azy sy hanao azy ho tsinontsinona. Mahari-pery sy tsy fola-mandefitra ny Malagasy ary « ALEONY VERY TSIKALAKALAM-BOLA TOY IZAY VERY TSIKALAKALAM-PIHAVANANA ».

Hitan'ireo tsy valahara sy mpanararaotra izany ka dia anaovany harena adala tompo ny harena rehetra eto amintsika, na an-kibon'ny tany, na an-dranomasina, na eo amin'ny tontolo iaianana.

Mangetaheta ambony lakana sy mangasihasy toy ny ankizy voabedy ny Malagasy, « ZARY TOMPONY MANGATAKA NY ATINY ».

Anaovan'ireo vahiny rehetra am-pihimamba ny fananantsika, ka miala maina toy ny mpamotsitra alika isika, satria ataony tsy mahita manginy, ary tsy mba anipazany na dia ny sisa taolana aza. Zary isika mianakavy tsy ataony lany tamingana, satria kely lanja noho ireo zava-misy eto amintsika. Mahalala roa ho an'ny tenany izy ireo, fa tsy hanome na iray aza ho antsika.







VALALAN'AMBOA KA NY TOMPONY AZA TSY TIA



Hajao sy lalao ny TANINTSIKA . Tompoy araka izay tokony ho izy sy ny nametrahana azy tamintsika. Tsimbino ny Vahoaka Malagasy : « TSIMBOTRY NIARAKA IHANY KA ADRISA VE VAO HIFANARY ! ».

Lany olomanga ve i Madagasikara ?

Sa izay rehetra nitady hisondrotra na hanandratra ny Firenena dia nadaraboka avokoa ?

Malahelo hava-manana, sa matin-kanin-kely toy ny trondro ?



Tsy tokony hiandrandra olona ny olomangan'i Madagasikara, fa ho andrandrain'olona.


IZAY MAHASAHY MATY AOKA HIFONO LAMBAMENA, HANAO NY AINY TSY HO ZAVATRA, HANAO VY VERY NY AINY. IZAY NO SISA ANTOKA HIVOAHAN'NY FIRENENTSIKA AMIN'IZAO FAHASAHIRANANA IZAO FA TSY HANITRI-DOHA ANATY FASIKA TOY NY VOROM-BE VATA.


HIANDRY AN'I ANDRY (TGV) HATRANY VE ? Mety ho tara masinina,satria izy efa lasa lavitra ; roa taona ny fampanantenany : ny filàny sy ny saosiny mandeha, fa ny an'ny vahoaka very maina ; latsaka anaty hady manitsokitsoka ny Tany sy ny Firenena ; mijery TGV mandalo toy ny ombivavy ny Malagasy, ka tsy afa-manoatra.


HANDIDIDIDY TOA AN-DRADIDY (AREMA) VE ? Roapolo taona mahery izy no teo, fa dia ny OYA ! OYA ! No betsaka sy ny saosy amin'ny lisitra (socialisme), ary ny RISORISO. Ankehitriny izy, dia milaza fa nahita ny tetika hamoahana an'i Madagasika amin'ny maimbo !


HITSIVALOMANDRY (valamandry) TOA AN-DRAVALO VE ? Efa teo ro niala, ka mba avelao indray ny sasany hirotsaka raha tena « GASY TIA TANINDRAZANA SY TIKO ARY FIAKO MARINA »


DIMAMPOLO TAONA LASA IZAY NO NANAOVAN-DRAPHILIBERA DOM-BERA NY FAHALEOVAN-TENAN'i MADAGASIKARA ! Sy nilazany hoe « POLITIKAN'NY KIBO ; ASA FA TSY KABARY = ACTA NON VERBA ! » ; hatramin'izao dia vao mainka tena noana sy mihinana tapa-tsinay ny Vahoaka Malagasy.


MBA NANAO IZAY HO TRATRANY INGAHY ZAFY, NEFA NIAFIAFY FA ZANA-JAFY ! Nanao DIA RODOBE TENY IAVOLOHA saingy nifofofo toy ny afo-mololo, ka dia voan-dry zalahy tamin'ny kely foana !


LASA-KO VAVANY SY KOBAKA AM-BAVA ARY KABARY AMBONY VAVAHADY NY ZAVATRA REHETRA.TOY NY GISALAHY HOMAN-KETSA IZAY REHETRA TONGA EO AMIN'NY FITONDRANA KA IZY MIHINANA INDRAY NO AVO FEO !!!


NY RAHARAHAM-PIRENENA DIA TSY ANANAN-KAVANA, ARY TSY TOKONY HATAO FARALAHIN'ADIDY ; TSY TOKONY HITAVANDRANA NA HIANDRASANA NY SASANY, NA ADDIS-ABEBA, NA MAPUTO, NA JOHANNESBOURG, NA CARLTON, NA IVATO, NA NY SADC...


NY SADC DIA MISADEKADEKA SY MIOVA LOKO HATRANY TOY NY TANALAHY !

NY ADDIS-ABEBA DIA MISADIABEBAKA, TSY AHITANA NY FOTONY SY NY LANINY !

NY MAPUTO DIA « NAMPITAONA INDROA » NEFA TOA NATETI-PIAVY TOA SOTRO-KELY KA TSY MAHAFATRA-PO !

I CARLTON DIA TOY NY « KARY NOTAOMINA » KA TSY HITA VEROKA TOY NY DONAK'AFON'ANALAKELY.

I JOHANNESBOURGA MOA DIA ZARY « ZERO BORIBORY-GA » !

IVATO MBOLA MAMATOVATO TSY MASAKA, KA NATAO TANGO MAITSO TOY NY RAVIN-DAISOA (FEUILLE DE « CHOU », JUSTE PARAPHEE).

NY COMMUNAUTE INTERNATIONALE (CI) DIA TOA AN'I PAOLY SY SIMAO : KA DIA ANDRASO EO I PAOLY SY I SIMAO (TSY MENA-MIVADIKA) !

FRANCE, ETATS-UNIS, CHINE.... DIA VOAY BE MIANDRY IZAY AZONY ITSARAPAHANA ! SATRINY AZA MATORITORY ISIKA MALAGASY MISY HAMANANY MENAKA TOY IZAY « HAMOHA FOTA-MANDRY » (TSUNAMI EN ETAT DE VEILLE) ; RAHA MIFOHA NY MALAGASY DIA METY HIHOSIM-POTAKA IZY IREO !



MIFOHAZA RY VAHOAKA MALAGASY

IZAO NO ANDRO SY ORA

HIANTSOROHANA NY ADIDY MASINA

FANAVOTAM-PIRENENA

HIROTSAKA AN-TSEHATRA ISIKA












ARY NY TENANAY DIA HIROTSAKA AMIN'NY LALINDALINA KOKOA

AMIN'NY FIFIDIANANA NY HO FILOHAN'I MADAGASIKARA

(CANDIDAT AUX PRESIDENTIELLES DE MADAGASCAR)

HIFAMPITANTANA SY HIARA-MANDROSO AMINAREO

TSY HIKELY SOROKA

NA HITANDRO HASASARANA

HANAO VY VERY NY AINA

SAHY DIA SAHY

ARY HIFONO LAMBAMENA

AMBARA-PAHATAPITRY NY FOFON'AINA

HANANDRATRA AN'I MADAGASIKARA

HITSIMBINA NY VAHOAKA MALAGASY

VALALA TSY MANDADY HARONA


HO AN'NY TANINDRAZANA !


IZANY NO VELIRANO ATAONAY


(VANIN'ANDRO 17 AVRIL 2011 / ALAHADIN'NY SAMPAN-KAZO)



Jacques Denis RABEMAHARO (HO FILOHA)



vahoaka manjaka / tanora mitraka / tsy refesi-mandidy




17/04/2011
0 Poster un commentaire

Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 27 autres membres