AOVIVAORHE MADAGASCAR

AOVIVAORHE MADAGASCAR

HAFATRY NY EVEKAN'I MADAGASIKARA

 

HAFATRY NY EVEKAN'NY MADAGASIKARA NIVORY NY HERINANDRO TEO MOMBA NY FIAINAM-PIRENENA


“Isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto zandriko kely indrindra ireto ianareo dia nanao izany tamiko” (Mt 25, 40)


“Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan’ny Tompo”

Ny Fiangonana dia mifampizara mandrakariva ny hafaliana sy ny tebitebin’ny vahoaka (Konsily Vat II G.S., 1), ka mahafantatra tsara ny zava-misy any amin’ny faritra rehetra any. Nivory teto Antananarivo izahay Evekanareo, nitondra am-bavaka ny Firenentsika ary namakafaka lalina ny zava-misy, dia tsy misalasala mandefa ity hafatra ity amintsika mianakavy. Mifanojo amin’ny fandrafetana ny Governemanta iraisana, hivoahana amin’ny tetezamita rahateo ny fivorianay.


1- Ianareo Mpanao Pôlitika


Milaza miara-mahita isika raha miteny eto fa ny fototry ny aretina manimba ny Firenentsika ankehitriny dia resaka politika satria ady seza sy fitiavam-bola ary fihatsaram-betsalatsihy no mibahan-toerana. Sarontsaronana amin’ny teny hoe : fitiavan-tanindrazana, tombontsoa ambonin’ny firenena, firaisan-kina sy fihavanana… nefa ao ambadik’izany : fitiavan-tena sy kiantranoantrano ary fandrobana ny harem-pirenena. Vokatr’izany ny vahoaka madinika mihitsy no mijaly sy atao takalon’aina. Afa-baraka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenana ny Tanindrazantsika. Aoka izay !

Fantaro fa ny Pôlitika dia tsy inona fa fanompoana ny vahoaka, fitadiavana ny soa iombonana, fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny, ary indrindra fampivelarana ny olona manontolo sy ny olona rehetra amin’ny alalan’ny fiaraha-misalahy sy ny fifamenoana (Jereo Kons Vat II GS 74-76). Tsy mifanaraka amin’izany anefa ny zava-misy ka miangavy anareo Mpanao Politika mba hihaino ny feon’ny fieritreratana (conscience). Ao anatin’izany isika rehetra tompon’andraikitra amin’ny fitantanana raharaham-bahoaka.

2- Vokatry ny Pôlitika eto amintsika


Raha ny politika eto amintsika tokoa no dinihina dia ny ratsy no misongadina :

- fitantanana tsara no andrasana nefa fandrobana harem-pirenena (volamena, bois de rose, vatosoa sarobidy, ….), sy kolikoly isan-karazany no manjaka. Ny vola no tompoina ary voavidy hatramin’ny conscience….

- Fandavorariana ny zava-boary no nanirahan’Andriamanitra antsika (Jen 1) kanjo ny fanapotehana sy fandravana no atao.

- Fianakaviana mirindra sy milamina, tao anatin’ny fihavanana nolovana tamin’ny fahendren-drazantsika no mampivelatra ny maha olona, nefa noho ny fanarahantsika an-jambany ireo firehen-kevitra môderna dia mikorontana ny tokantrano, very ny fifanajana eo amin’ny zanaka sy ny ray aman-dreny, betsaka ny zaza tsy manan-dray ary tsy afa-mianatra fa mirenireny, mahenika ny faritra rehetra ny filibàna sy ny fivarotan-tena, ny fanalan-jaza; marobe ny zaza very ….

- Fanjakana tan-dàlana no dradradradraina etsy sy eroa kanefa ny vahoaka mahatsapa fa tsy misy ianteherany, ka miavo-tena amin’izay hahavelona azy. Mahazo antsika koa ny zava-misy atsy Afrika (sy amin’ny toeran-kafa) fa izay firenena misy harena an-kibon’ny tany sarobidy dia mananontanona mandrakariva ny ady an-trano, miroborobo ny sekta miaraka amin’ireo antoko politika maro. Vokatr’izay dia very ny fiandrianan’ny Firenena.

Ireo voalaza ireo no anisan’ny voka-dratsin’ny pôlitika diso toerana eto amintsika. Raha tia tanidrazana marina isika ka hitady ny soa iombonana, ovay ny famindra, ovay ny toe-tsaina. Amin’ny alalan’ny fifidianana marina no hahatongavantsika amin’ny Fanjakana tan-dalàna.


3- Vaha-olana:


- Fanabeazana olom-pirenana :

Mitaky fibebahana lalina ao anaty ny toe-piainantsika ankehitriny. Miangavy antsika fa indrindra ianareo Mpanao Pôlitika na eo amin’ny fitondrana na tsia : atsaharo ny ady lahy pôlitika sy ny fihatsaram-belatsihy. Miaraha-mijery izay hahasoa ny vahoaka madinika sy ny Tanindrazana, hampisy ny asa sy ny fivelomanana ary hampanjaka ny fandriampahalemena sy ny rariny ary ny hitsiny. Ny môdely tsara asehontsika no fanabeazana andrasan’ny vahoaka.

Ho antsika vahoaka kosa, aoka tsy hiraviravy tanana fa ho vonona hifanabe, tsarovy fa isika no tompom-pahefana amin’ny fandavorariana ny fiainana andavanandro. Manana anjara toerana lehibe ianareo ONG sy ianareo Mpanabe, mikasika ny fanatsarana ny fiaraha-monina, noho izany aoka tsy hivaona na ho voafandriky ny vola ianareo. Ity fanompoana vola ity tokoa manko no rangory fototry ny afo. Hoy Md Paoly: “ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, ka ny sasany fatra-pitady an’izany dia efa nivily lavitra ny finoana sy nandefon-tena tamin’ny fijaliana maro” (I Tim 6, 10). Ny zava-misy eto amintsika dia hararaotina ny fahantran’ny maro an’isa ka tsy misy tsy voavidin’ny vola; eny fa hatramin’ny feon’ny fieritreretana aza. Ilaina ny fahaizana mitady vola amin’ny ara-dalàna sy ara-drariny. Natao hifanasoavana ny vola fa tsy hifanapotehina na hamonoana olona.


- Rafitra : Fanjakana tan-dalàna .

Raha tanteraka tsara io fanabeazana io dia ho afaka manantena isika fa hiditra amin’ny Fanjakana tan-dalàna ny firenentsika, ary ho voahaja ny zo maha-olona ny tsirairay. Ny fifidianana andrandraintsika izao dia mitaky fiombonan-kevitra matotra momba ny lalam-pifidianana, mila kalendrie mazava sy fanaraha-maso madio ….

Ireo rehetra ireo dia mitaky fihavanana ao anatin’ny fahamarinana satria “ izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no misy ny fahafahana sy ny Fahamarinana” (II Ko 3, 17).


4- Hamafiso ny Finoantsika


- Amin’ny alahady ho avy, Fetin’i Kristy Mpanjaka no hizaran’ny Papa Benoît XVI ny teny fampirisihina vokatry ny sinaody manokana momba ny Afrika sy Madagasikara (“Fiangonana aty Afrika mampijoro ny fampihavanana, ny rariny sy ny hitsiny ary ny fandriam-pahelemena”).

- Manomana ny sinaodin’ny Eveka eran-tany momba ny fitorina ny Vaovao Mahafaly amin’ny vanim-potoana ankehitriny isika. Hankalazaina eto Madagasikara ny taon-jobilin’ny nahatongavan’ny finoana teto Madagasikara izay mifanojo amin’ny taonan’ny Finoana ho an’ny ny Fiangonana eran-tany (11 Oktobra 2012).

- Ho an’ny Tanora Malagasy manokana dia miandrandra ny fankalazana ny JMJ Mada faha-7 any Antsiranana.


Amin’ireo rehetra ireo dia antsoin’Andriamanitra isika hijoro ho vavolombelon’ny Evanjely sy ho vonona hiatrika ny adidy mahaolom-pinoana sy mahaolom-pirenena. Ny finoantsika an’i Jesoa Kristy nandresy ny fahafatesana sy ny ratsy rehetra anie no hanome hery, hafaliana ary fanantenana antsika ka hitraka mandrakariva eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina sy ny vavak’i Masina Maria Renintsika Mpiaro an’i Madagasikara

Hitondra aim-baovao antsika anie ny fankalazana ny Fiavian’ny Tompo. Mitsodrano anareo izahay Evekanareo:


Mgr RABEMAHAFALY Fulgence, Arsevekan’I Fianarantsoa; Filohan’ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara

Mgr TSARAHAZANA Désiré, Arsevekan’I Toamasina, Filoha lefitra

Mgr RANAIVOMANANA Philippe, Evekan’Antsirabe, Mpitan-tsoratra

Mgr RAZANAKOLONA Odon Marie Arsène, Arsevekan’Antananarivo

Mgr MALO Michel, Arsevekan’Antsiranana

Mgr RABEONY Fulgence, Arsevekan’i Toliary

Mgr ROSARIO Vella, Evekan’Ambanja

Mgr TOASY Armand, Evekan’I Port-Bergé

Mgr RAKOTONDRAJAO Roger Victor, Evekan’I Mahajanga

Mgr RANDRIANARISOA Jean Claude, Evekan’I Miarinarivo

Mgr BOMBIN ESPINO Gustave, Evekan’I Tsiroanomandidy

Mgr SCOPELLITI Antoine, Evekan’Ambatondrazaka

Mgr DI PIERRO Gaetano, Evekan’I Moramanga

Mgr RANDRIAMAMONJY Marcellin, Evekan’I Fenoarivo Atsinanana

Mgr RAKOTONARIVO Fidelis, Evekan’Ambositra

Mgr CAIRES DE NOBREGA José Alfredo, Evekan’I Mananjary

Mgr RAMAROSON Marc Benjamin, Evekan’I Farafangana

Mgr RAZAKARIVONY Fulgence, Evekan’Ihosy

Mgr RAKOTOZAFY Vincent, Evekan’I Tolagnaro

Mgr ROBASZKIEWICZ Zygmunt, Evekan’I Morombe

Mgr RAHARILAMBONIAINA Marie Fabien, Evekan’I Morondava

Mgr VARKEY Georges, Eveka Coadjuteurn’i Port-Bergé

Mgr RAOELISON Jean de Dieu, Eveka mpanampin’Antananarivo Zoma, 18 Novembre 2011

Fety nitokanana ny Bazilikan-dry Md Piera sy Paoly Apostoly

--



22/11/2011
1 Poster un commentaire

Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 27 autres membres