AOVIVAORHE MADAGASCAR

AOVIVAORHE MADAGASCAR

INTY ILAY ANDRO

 

MIARAHABA ANTSIKA MALAGASY REHETRA TRATRY NY ASARAMANITRA

FETIN'NY FAHALEOVAN-TENA FETIM-PIRENENA !



ZAVATRA LEHIBE IZANY NA DIA VOAHITSAKITSAKA SY ATAON'NY SASANY

TSY VALAHARA HO TOY NY TSINONTSINONA NY VAHOAKA MALAGASY

ARY ROBAINY TAHAKA NY TANY TSY MISY OLONA NY HARENTSIKA

NY ASARAMANITRA DIA MIDIKA FA AFAKA MIFAMPIARAHABA SY MILANONA ISIKA

NA DIA EO AZA NY TSY FISIANA SY NY TSY MAHA ARA-DALANA NY FITONDRANA

MISY ETO AMINTSIKA IZAY NAKA AN-KERINY NY FITONDRANA

NY FETIN'NY FAHALEOVAN-TENA DIA MILAZA FA MANANA NY MAHA IZY AZY I MADAGASIKARA SY NY MALGASY TSIRAIRAY AVY

TSY REFESI-MANDIDY AMIN'NY SAFIDY EFA NATAONY

NEFA DIA NATAON'NY SASANY TSINONTSINONA IZANY ARY ANAOVANY BODINGERONA NY FITONDRANA KA ZARY TETEZAMITA HATRANY EFA HIHOATRA NY ROA TAONA IZAO

ARY TSY FANTATRA HOE TETEZAMITA HO AIZA

MANOHANA AZY AMIN'IZANY NY FANJAKANA VITSIVITSY SY IREO MPANELANELANA VOAVIDY MIALOHA

NY VOLA, NY KOLIKOLY ISAN-KARAZANY ARY NY FANODIKODINANA SAMIHAFA

NO SISA MITONDRA NY TANINTSIKA TOY NY FITONDRANA BAOLINA IRERY

TSY MISY FITONDRANA AN-KIZARA FA AM-PIHIMAMBA NO BETSAKA

SADY SARONTSAROMANA DIDY SY LALANA VITA BAORITRA SY TEFITEFENA

ARY TSY NAHAZO NY FANEKEM-BAHOAKA SY NY SOLOTENA VOAFIDY FA VOAVIDY

LATSAKA LALINA DIA LALINA NY TANY SY NY FIRENENA

NEFA MBOLA AFAKA MANAO FETIM-PIRENENA ISIKA RAHA MBOLA MISY FO MITEPO SY RA MITSOROROKA ARY RIVOTRA IAINANA AO ANATINTSIKA TSIRAIRAY AVY

RAHA TSY MIRAVIRAVY TANANA ISIKA DIA TSY MAINTSY HIOVA NY ZAVA-DREHETRA

KOA ARAHO NY ANTSO ISAN-KARAZANY ATAON'IREO MPANENTANA ARA-DALANA MANOMBOKA IZAO ARY MANDRITRA NY FOLO ANDRO HANAO LEMOZY HANENDAHANA NY FITONDRANA FAT/HAT MAHAMENATRA SY MANALABARAKA ANTSIKA ERAN-TANY ARY EFA NITONDRA ANTSIKA TANY AMIN'NY MAIMBO SY NY FAHADIRANOVANA MBA HIVERENANA AMIN'NY FITONDRANA ARA-DALANA MANARAKA NY RARINY SY NY HITSINY ARY EKEN'NY VAHOAKA


IZANY NO TENA ASARAMANITRA

IZANY NO TENA FAHALEOVAN-TENA

IZANY NO TENA FETIM-PIRENENA

'NDAO


HO ELA VELONA MADAGASIKARA

HO ELA VELONA NY MALAGASY TSY VAKY VOLO






Jacques RABEMAHARO (HO FILOHA)



vahoaka manjaka / tanora mitraka / tsy refesi-mandidy



Bonne fête de l'indépendance à tous le Malgaches, bien même que le Pouvoir en place, de par son statut ou non-statut, ne nous permette pas de célébrer dignement cette Fête nationale ; mais nous restons dignes dans nos coeurs en attendant le retour à l'ordre légal, démocratique et républicain ; la plupart d'entre vous n'ont plus de travail et ne savent jamais de quoi demain sera fait ; fêtons dignement quand même cette Indépendance, en espérant que demain sera un autre jour, car nous finirons par bouter dehors tous ceux qui nous oppriment et continuent de piller nos richesses nationales, en concussion avec le pouvoir en place ou du moins avec sa bénédiction. A partir de ce jour, qui sera marqué d'une pierre blanche, je vous exhorte à suivre méticuleusement les consignes données par nos leaders locaux épris de liberté et de légalité et ce pendant 10 jours pour en finir avec la dictature et l'oppression. N'ayons pas peur des forces qu'ils peuvent déployer ; elles seront minoritaires ! N'ayons pas peur des militaires, des gendarmes et des policiers, même si une petite poignée est payée et entretenue gracieusement par le pouvoir en place pour asseoir leur illégalité ; militaire, gendarmes et policiers doivent être avec le peuple et non pas contre lui, sinon ils manquent à leur devoir ; leur devoir c'est de défendre le peuple et non pas soutenir un « pouvoir putschiste » internationalement admis ;

ils peuvent pointer leurs armes sur nous ; mais nous leur dirons :



« LES ARMES FINIRONT PAR SE TAIRE

MAIS ON NE PEUT PAS BAILLONNER INDEFINIMENT LE PEUPLE MALGACHE

NOUS NOUS BATTRONS AU RISQUE ET AU PRIX DE NOTRE VIE »


LE PEUPLE MALGACHE VAINCRA !!!


Jacques RABEMAHARO (vers les Présidentielles)



26/06/2011
0 Poster un commentaire

Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 27 autres membres