AOVIVAORHE MADAGASCAR

AOVIVAORHE MADAGASCAR

JMJ MADRID : FEHINY /BILAN/...

 

FOLO ANDRO TEO ANIVON'NY SOLONTENA MALAGASY NAMONJY NY JMJ TANY MADRID




Niisa eo amin'ny 75 ireo solontenan'ny Tanora ao amin'ny Fiangonana Katolika Malagasy miaraka amin'ny Eveka 3 (niampy 2 nanefa adidy taty Europe sy nanao vacances) sy Pretra 8 mirahalahy (ankoatr'ireo Mompera Trinitera), ary Masera 4 (sy Masera malagasy marobe avy amin'ny Fikambanana samihafa aty am-pita). Azo lazaina fa nafonja tokoa izany delegasiona izany, satria nahitana ny solontenan'ny Diosezy rehetra, tsy misy an-kanavaka na dia ny avy ao an-dRenivohitra no be indrindra, satria nanamarika rahateo ny faha-150 taonan'ny Dioseziny izy ireo ; ialan-tsiny raha misy tokony hahitsy ny isa omenay, satria tsy dia izany loatra no niantefan'ny dinika entina eto, araka ny fiteny hoe, tsy ny isa no tena zavatra fa ny fahamedrehan'ny tsirairay.


Nanaitra dia nanaitra tokoa izany fahamendrehana sy fahaiza-miaina amin'ny hafa izany, na dia eo aza ny fahasamihafan'ny kolotsaina, sy ny fomba amam-panao, ary indrindra ny fomba fiteny. Fiteny Espagnol mantsy no tena lohan-daharana tany satria ry zareo no vy nahitana ary nitoto ka nahafotsy, sy nahatanteraka an-tsakany sy an-davany ny zava-drehetra natao. Tomombana sy tsara rindra avokoa ny fandaharana rehetra ary tsy nisy nipika na dia teo aza ny rivotra mifofofofo sy orambaratra tamin'ny fotoana hanaovana ny fitsaohana ny sakramenta masina sy ny fiambenana masina.


Ny Papa Ray Masina no nanao ny ezaka ngezabe sy nanome ohatra, satria tsy fiteniny andavanandro ny teny Espagnol, nefa dia tsy niontsona izy na dia nafana be ny andro ary lava ny hafatra tiany homena ; na dia nifofofo koa aza ny rivotra toa ilay nanozongozona ny Sambon'i Piera, dia niaretany koa izany, noho ireo olona an-tapitrisany teo anoloany : Izy moa no Piera mpiandry ondry ka tsy nahafoy nandao iroe ondriny na dia nahery vaika aza ny rivotra sy ny orana ary ny varatra. Marika milaza izany fa tsy maintsy hisy hanozongozona foana ny Fiangonana, nefa tsy tokony hilavo lefona.


Ny asabotsy 20 sy alahady 21 aogositra dia nitoby tamin'ny toerana iray tsy nisy nihetsika nandritra ny 24 ora ireo Mpivahiny Masina an-tapitrisany. Nahagaga dia nahagaga ny fahaiza-miara-miaina tamin'izany, na tamin'ny sakafo, na ny fatoriana, na ny fidiovana, sy ny mikasika ny maha olombelona rehetra ; toy ny iray ihany ireo olona an-tapitrisany : iray vatsy, iray aina, iray trano, ary iray fototra ka dia nanao ladim-boatavo tamin'ny toerana lehibe dia lehibe tsy mivadimandry : fifanajana, filaminana, fiaraha-mientana, fitsinjovana ny hafa sy mpiray toerana efa voazarazara ; tsy misy mifanilaka, ary toa samy mifankahazo na dia tsy mitovy fiteny sy lela.


Azo ikoizana ihany koa ny ezaka nataon'ny Fanjakana Espagnol izay nikarakara ny sakafo, nandamina ny fitaterana, nanao ny lamina rehetra teo amin'ny fanajariana ny tany rehetra hivoriana ; feno fahalalaham-po sy finiavana ireo mpitandro ny filaminana na dia tsy mifankahazo aza matetika ny fiteny, ary matetika miara-mirodona ireo olona an-tapitrisany na hamonjy fotoana, na rahefa vita ny fandaharana iray ; azo isaorana manokana ihany koa ireo zotra mpikarakara ny fitaterana rehetra, fa dia tsy nisy ny voina na dia mihoa-pampana aza ny olona indray mirohotra amin'irony fiara ambanin'ny tany sy ny lokomotiva izay manafaingana ny fifamoivoizana ; nefa tsy afaka handray ny zotra miaraka ny olona maro indray miaraka, fa tsy maintsy atao sivana amim-pomba mendrika sy feno fahendrena ny fizotran'ny vahoaka marobe toy ireny. Tsy nisy zavatra azo notsongaina afa-tsy ny fahamaizann'ny olona samy te-ho tonga haingana indraindray, sy noho ny hafanan'ny andro ; ny tena zava-dehibe dia ny ezaka nataon'ny Fanjakana sy ny vahoaka Espagnol mba ho tomombana soa aman-tsara ny JMJ izay nampiantranoan'izy ireo ; ka misy halain-tahaka izany, ary isaorana tsy ankitsahatra izy ireo.




Tiana hiverenana manokana ny momba ireo solontenantsika izay tena naneho toetra sy fomba mendrika ary feno fanajana ; isaorana ireo Ray aman-dReny, Eveka, Pretra sy Relijiozy nitarika sy nanotrona ny tanorantsika, sy nandray azy ireo toy ny zanaka ary ondry andrasana ; isaorana ihany koa ireo VPKT (Vovonam-Pirenena Katolika ho an'ny Tanora), na dia tanora toy ny olona entiny izy ireo dia feno fahamatorana, fahaiza-mitondra ary faharetana... Tsy mora ny mitondra olona, ka tsy maintsy mihenjana na malalaka araka ny toe-javatra ; hain-dry zareo tsy misy ho kianina ny nandanjalanja izany ; ireo tanora nentina moa dia nahafantra fa ny hendry ihany no anarina, ary nisy mandrakariva ny fifanakalozana rehefa misy maraorao, na zavatra tokony hiaraha-midinika ; tsy mba nisy ny teny midina, na teny hendratrendratra, fa dia teo mandrakariva ny fifanakalozana amim-po mazava : izay madilana dia notentenana, ary izay nalady dia niaraha-narenina ; niseho sy hita taratra tamin'izany ny fahaiza-miara-monina, ny firaisan-kina, ny firaisam-pirenena, na dia samihafa ny Faritra sy Diosezy nihavaina, ary teo mandrakariva sy nanaitra ny famirapiratan'ny FIHAVANANA ; tsy nisy zanak'i kalahafa, fa nifampizara ny manta sy ny masaka, nifanapaka ny valala iray, satria iray vatsy sy iray aina.


Nahazo tombontsoa lehibe ireo solontenantsika, na talohan'ny fanomanana akaiky ny JMJ tany SEGOVIA, izay nahazoany ny sakafom-panahy mitafotafo, sakafom-batana isan-karazany toy ny hanim-pitoloha na dia sakafo tsy tena mahazatra aza indraindray ary ny sakafon-tsaina sy ara-kolotsaina... Raha vao vita moa ny JMJ, dia mbola nitohy izany fandaharana samihafa izany, na dia nifantoka tanteraka tamin'ny fizahan-tany sy ny fanandramana ny vokatry ny tany novangiana ; nisy ambinambin'ny sakafom-panahy mba tsy ho very ny zavatra niainana nandritra ny JMJ.

Voan-dalana be dia be no ho entin'izy ireo amin'ny mpandefa azy sy ny olona nosoloiny tena :


ZARY FANASIN'NY TANY IZY IREO KA TSY HATSATSO

FITARATRA SY FANAZAVANA ARY HO FANILON'NY TANY SY NY DIOSEZY REHETRA MISY AZY TSIRAIRAY AVY

NEFA HO FITAOVANA MAIMAIM-POANA EO AM-PELAN-TANAN'ANDRIAMANITRA SY NY FIANGONANA HANASOA NY MANODIDINA AZY TSIRAIRAY AVY

HIJORO MANDRAKARIVA HO VAVOLOMBELONA IZY IREO.


Tsy hadino ny misaotra ny Fikambanana Trinitera izay nanao izay tratry ny ainy sy nandany mondron-kery hanao izay handraisana ny Delegasiona Malagasy tamin'ny fisakafoanana, fatoriana ny fivezivezena, sy ny sakafo enti-mandeha... Tsy ho voavaly izay rehetra vitan'izy ireo fa Andriamanitra hamaly azy.


Sady mamerina ny fisaorana manokana an-dRAFIDISON, Chef de Groupe VAHITRY MADAGASIKARA, izay nandray ahy tsy am-pisalasalana hiaraka amin'ireo Tanora solontenantsika, na dia andraikitra tena henjana be aza izany, ary mety hisy fiantraikany any aoriana any ; nihatanora tokoa ny tenako, ary misaotra anareo namela ahy hahazo ny fahasoavan-dehibe sy harem-panahy mitafotafo entin'i JMJ, ka dia « SAMY SALIDA E, ANY DIEGO INDRAY ISIKA MANAO COMIDA SY BEBEIDA ».


ALORS VAS !

JE T'ENVOIE !

SUR LES CHEMINS DU POSSIBLE

ALORS VAS !

JE T'ENVOIE !

OU L'INATTENDU REND LIBRE

SUIS LE GUIDE DE TON LIVRE


POUR UNE MISSION QUI FAIT VIVRE



ZOKY RAY AMAN-DRENY Jacques Denis RABEMAHARO, izay nitsangana tamin'ny anaran'ny FIANGONANA KATOLIKA MALAGASY ATY FRANTSA, dia i Paris sy Toulouse manokana, ary antenaina fa hisokatra amin'ny FIANGONANA ZANAKA AM-PIELEZANA rehetra, satria tokony hifanampy hatrany isika « izay tsy mahay sobika mahay fatra-bary » ; ary « mpianakavy isika é, samy Zanaky ny Ray, tsy misy avahany... ».


(Madrid 26 Aogositra 2011, taoriana kely ny fiaingan'ny solontena hiverina any MADAGASIKARA)



27/08/2011
0 Poster un commentaire

Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 27 autres membres