AOVIVAORHE MADAGASCAR

AOVIVAORHE MADAGASCAR

MODY AMIN'NY TANINY NY JIOSY KA NY VAHOAKA MALAGASY...

NY JIOSY NO MODY AMIN’NY TANINY

KA NY MALAGASY NO MIHINANA TONGOLO EJIPTA

 

Matsiro dia matsiro hono izany tongolo avy any Ejipta izany, satria tena nampitomany sy nampahatsiarotsiaro ny Jiosy rehefa nihinana ny tokony tsy ho hanina tany an’efitra.

I Moizy no nantsoin’Iaveh hamoaka ny vahoaka Jiosy tany Ejipta sy hanala azy tamin’ny fanandevozana. Tsy tonga hatrany amin’ny Tany Nampanantenaina anefa I Moizy fa voasazy, satria somary kely finoana teo anatrehan’ny di-doha sy lemozy nataon’ny vahoaka Jody mafy hatoka, ka tsy natoky an’Iaveh nony farany teo amin’ny baiko nomeny fa somary nanaraka ny heviny fotsiny sy izay saim-patany. Fitazanana ny Tany Nampanantenaina ihany no tombontsoa navelan’ny Tompo ho azy dia nodimandry teo am-pahitana izany izy fa tsy afaka nametraka ny tongony akory tamin’io Tany tokony hitondrany ny Zanak’Israely io.

Raha halalinina ny dikan’izany dia tokony hadio tanteraka ny vahoaka miditra any amin’ny Tany Fampanantenana ; ary izany no nampihodikodina azy ireo efapolo taona tany an’efitra,nefa raha ny marina dia tokny ho lalana vita vetivety ihany io lalana mampisaraka an’I Ejipta sy io Tany Fampanantenana io. Noho izany mila efapolo taona maninjitra ny hanavaozana ny taranaka (nouvelle génération). Tena olom-baovao sy voafidy no sisa hiditra any amin’ny Tany Nampanantenaina. Olona mendrika ihany no tokony hiditra any ary tanora tsy be fahotana loatra, na tsy maloto saina.

Ny fiverenan’ireo Filoha Taloha eto Madagasikara indray no mahatonga izany eritreritra izany. Dia tonga nialoha lalana Ingahy Didier RATSIRAKA ; ary antenaina tsy ho ela ny fahatongavan’Ingahy RAVALOMANANA, satria hitaky ny fihaonan’ny Filoha Efatra no tena anton’ny nahatongavan’I Deba haingana. Naniry ny ho tonga talohan’ny hananganana ny Govenemanta BERIZIKY izy, nefa voan’ny tetikadin’ilay KELYMALAZ, atao hoe TGV, haingam-pandeha sy mpitsoriaka.

Efa tokony ho roa taona izao zavatra izao no tokony hiseho, taorian’ny fivoriana tany Addis-Abéba, tamin’ny 6-7 novembre 2009, izay fotoana nanendrena ireo ho Co-Présidents, taorian’ny nanekena fa Ingahy MANGALAZA (fa tsy IKELYMALAZA), no hatao Praiminisitra araka ny tapaka tamin’ny Fivoriana tao amin’ny CARLTON (octobre 2010). Tamin’izany dia vonona hiara-miasa tsiroadroa ny Ankolafy : HAT sy AREMA etsy an-daniny mitazona ny Présidence sy Primature ; ny Ankolafy ZAFY sy RAVALOMANANA, etsy an-kilany, mitandroka ny CO-PRESIDENCE. Vita soa aman-tsara sy nilamina tamin’izay ny Fitondrana an’I Madagasikara,a ry vonona ny Ankolafy efatra hanao kopaka isasahana an’I Madagasikara.

Tamin’izany fotoana izany no nahatonga ny tenako hitsabaka amin’ity raharaham-pirenena ity, amin’ny maha olom-pirenena ahy ; tamin’izany no nanombohako hanoratra sy hanomana rafitra ary programa vaovao ho an’I Madagasikara ; ny 13 novembre 2009 ihnay ny tenako dia tafaresaka an-taroby tamin’ny iray amain’ireo Filoha, izay tsy fantatro afa-tsy ny anarana ihany, ary nahafahako nilaza fa tsy mety ny fomba nifampizaran-dry zareo ny Fitondrana an’I Madagasikara. Iray volana taorian’izany ny tenako dia tonga tany Madagasikara, tsy fantatro hoe hanao inona marina ; ary tena marina tokoa izany, satria na dia ny olona tokony hihaona tamiko dia tavela tany Afika Atsimo tsy navela hiditra teto Madagasikara. Natomboko ny asa tokony hataoko ; vita soa aman-tsara izany ; iray volana ihany dia tafaverina teto Frantsa indray ny tenako.

Hatramin’izay dia nitsimoka tato an-tsaiko fa mba hisian’ny fiovana eto Madagasikara dia tsy maintsy hiandrandra ny HO FILOHAN’I MADAGASIKARA ny tenako amin’ny fififdianana ho avy. Inona no ho enti-manana an’izany ? Iza no hiaraka amiko ? …

Toy ny vahoaka any an’Efitra ny fandrosoko : maro ny sampanana, sy ny vato misakana ; nefa tsy maintsy mandroso ary hiroso ambara-pahatonga eo amin’ny Tany Fampanantenana. Ho toa an’I Moizy, tsy maintsy hisetra ny fitarainan’ny olona, ny fijaliany , ny horakoraka, ny fahatezerany, ny tsy fahatahorany hivadika, hizaka ny fitsapana rehetra…

Vao mainka sarotra ny fandrosoana satria misosoka ny mamba, nefa ny voay mbola tsy lasa akory. Tsy hitondra fiadanana sy fahasambarana izao fiverenan’ireo Filoha Taloha izao ; tsy maintsy mitandrina, satria mety hanasarotra zavatra betsaka izao. Tsy hahita afa-tsy ny tombon-tsoany izy ireo, ary hanararaotra izay kely anana azy. Ho zarazarainy ny vahoaka, hataony kopaka isasahana I Madagasikara, tsy hananany antra ; ary tsy misy afaka hanakana azy amin’izany.

Tsy izy ireo no hitondra ny Malagasy any amin’ny Tany Fampanantenana ; hanalava ny lalana mankany no tanjon-dry zareo ; I Moizy izay tena hitondra ny vahoaka any amin’ny Tany Fampanantenana dia tsy ho tonga raha tsy aoriana kely. Ambara-pahatongany dia hampijaliany ny vahoaka Malagasy toy ireo Jiosy nahatsiaro ny tongolo tany Ejipta; Izany toe-tsaina izany dia toe-tsaina ambany satria mampiverina ny vahoaka amin’izay efa naloany ; manamboa vahoka izay manao izany ka tokony hamatorana vato fanotoan-dafarinina amin’ny vozony ka hatsipy any anaty ranomasina ho fito mandifotr’olona.

Ireo Filoha Taloha miverina ireo dia toy ny Jiosy miverina amin’ny taniny sy toerana fihinanany ; saingy ny mampalahelo dia sady mitomany ny vahoaka Malagasy no mbola ampihinaniny ny tongolo avy any Ejipta ; malahelo ny efa nariany sy naloany, ka te-hiverin’ilalana, hiantehatra hatrany amin’ny Fampanantenana poakaty ; izay ilay fitaka faharoa, toy ny dakam-biriky (fa tsy Beriziky).

 

 

RABEMAHARO JACQUES (HO FILOHA)



26/11/2011
0 Poster un commentaire

Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 27 autres membres