AOVIVAORHE MADAGASCAR

AOVIVAORHE MADAGASCAR

PRAIMINISITRA MAKOVISY SA PREZIDA MAKOVISY

« PRAIMINISITRA MAKOVISY (1)

SA

PREZIDA MAKOVISY ? »

 

Tsy hita intsony izay marina amin’izy ity rey olona, fa rehefa voatendry ny Praiminisitra dia tonga indray ny hevitra hoe “tokony hampiana VICES anankiroa ny PRAIMINISTRA” ; tsy voalaza ao amin’ny TONDROZOTRA (na Feuille de route = Ravin-dalana) izany, fa hevitra tonga tonga hoazy toy ny fitsofan’ny Fanahy Masina. Dia toy ny « MAKOVISY » mihitsy izany no fiheverana ity PRAIMINISTRA ity.

Mandeha ny eritreritra hoe sao dia ny Prezida  kosa no “ MAKOVISY”, fa tsy ny Praiminisitra. Mba hiampangotingotiana ireo Ankolafy miziriziry sy midongy tsy te-hanome lisitra Minisitra hono no nanaovana izany, mba hisian’ny fifandanjana, ka izay Ankolafy tsy nahazo Praiminisitra dia mba hatao Vicesn’ny Praiministra.

Nefa hatramin’izao toa mbola vao maika miziriziry sy midongy ihany ireo izay notambatambazina homena Vice. Ka tonga ary ny fanontaniana hoe sao dia ny Prezida mihitsy ary no “MAKOVISY”, ka tokony hasiana Vices roa na mihoatra , toy ny tany Addis-Abéba hoe “tokony hasiana Vices dimy na enina, satria noheverina ho tena “MAKOVISY” mihitsy ny Prezida tamin’izany”, ary mba samy hanana Vices PREZIDA ny Faritany enina, fa tsy ny PREZIDAn’Antananarivo ihany. Tsy notanterahina anefa izany hevitra tsara izany fa dia Co-Présidents roa be izao no notendrena, ka tsy “MAKOVISY”intsony ny PREZIDA fa ni-SERRE-CONE ; rehefa avy eo dia ni-DECONE, satria tsy afaka niara-niasa ny “CONeS” telolahy ; ka izay no anamafiasana ny tolokevitra hoe omeo “VICES” ny PREZIDA fa “MAKOVISY” ; tsy ny PRAIMINISTRA mihitsy no “MAKOVISY”.

Ny hevitr’Ingahy Marius FRANSMAN ihany moa no tena  raisina ho toy ny teny fahamarinana, avy ao amin’ny Baiboly, fa ny antsika dia mba resaka “DECONES kely”.

 

(1) MAKOVISY : celui qui n’a pas de vice (suppléant direct), mais qu’on a déformé comme “une personne à qui il manque une vis” (un peu timbrée)



13/11/2011
0 Poster un commentaire

Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 27 autres membres