AOVIVAORHE MADAGASCAR

AOVIVAORHE MADAGASCAR

TAHIRY, ASA, FITIAVAN-TANINDRAZANA...

FITIAVAN-TANINDRAZANA MANGANANGANANA , ARY ASA SY TAHIRY HO AN’NY DAHOLOBE
IZANY NO TANJONA TSY MAINTSY ANANAN’IZAY TE-HO FILOHAM-PIRENENA MALAGASY
TOKONY HO OLOM-BAOVAO IZY
SATRIA SAROTRA NY MANAO VAO AMIN’NY ZAVATRA TRANAINY
RAHA TSY IZANY MARO NY HO ROVIDROVITRA !

Ny FITIAVAN-TANINDRAZANA dia zary tarigetra toa isalovanan’ny olom-bitsy (GTT na GTTi) ; izy ireo ihany ve no tokony hanana monopole amin’izany ?  Tsara io tarigetra io, nefa tsy tokony ho natokana ho an’olom-bitsy, na lasa fomba fiteny hidehadehàna fotsiny. Ny FITIAVAN-TANINDRAZANA dia tokony ho hita taratra eo amin’ny Mpitondra sy Mpanao Politika rehetra, fa tsy hanao Politika fe Politika hahazoana seza, vola, voninahitra, tombon-tsoa isan-karazany, am-pihimamba, sy fanararaotana ny harena tsy hita pesipesenina eto amin’ny Tany sy Fanjakana.

Manaraka izany FITIAVAN-TANINDRAZANA izany, dia tokony hiahy ny besinimaro izay te-ho FILOHAM-PIRENENA MALAGASY, mba hanan’ny daholobe asa ; tsy hoe tsy hisy tsy an’asa intsony, fa mba tokony hanana foto-pivelomana ny Malagasy tsirairay avy, fa tsy hitrongy vao homana lava izao, tsy  handady harona, tsy hahafantatra izay ho hanina rahampitso sy raha afakampitso sy amin’ny iray volana, ary afaka herintaona. Tokony hampitomboina ny vokatra sy fomba famokarana, amin’ny alalan’ny fampitaovana ny Tantsaha sy izay rehetra te hiasa, hamboly, hanao asa Tanana, na famokarana samihafa.

Tsy ho tanteraka anefa izany rehetra izany, raha tsy manomboka manana tahiry kely ny isam-baravarana ; tahiry ara-bola, tahiry ara-tsakafo, tahiry ara-pahasalamana (petite sécurité sociale) ; nefa dia ho zava-poana koa ny tahiry, raha tsy misy ny filaminana eo amin’ny samy mpiara-monina (sécurité de proximité) ; tokony ho fongorona ny asan-dahalo, na an-tsaha na an-tanàna, na ambony latabatra ; ary tokony hatao leo monina izay mbola manao kolikoly, manomboka amin’ireo Polisy, Zandary sy Miaramila sasantsasany eny amoron-dalana , noheverina hanao contôle routier, hay zavatra ahafa no andrasany. Ny amin’io dia tokony hanaja lalàna tokoa ny Taxi-brousse, refa ara-dalàna kosa izy ireo, dia tsy tokony ho tabatabaina intsony.

Rabemaharo Jacques (HO FILOHAM-PIRENENA MALAGASY) aovivaorhe.blog4ever.com



23/08/2012
0 Poster un commentaire

Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 27 autres membres