AOVIVAORHE MADAGASCAR

AOVIVAORHE MADAGASCAR

UN JEUNE PAR DIOCESE POUR LES JMJ DE RIO 2013 BRESIL

HAFATRA HO AN’NY TANORA JMJ MADA7 ANTSIRANANA
“BANJINO NY JMJ RIO 2013”
TANJONA : TANORA IRAY ISAKY NY DIOSEZY !

Tafaraka tamin’ny solontenan’I MADAGASIKARA tany amin’ny JMJ MADRID 2011 ny tenanay tamin’ny herintaona rehefa avy nandray azy ireo tany ROISSY CHARLES DE GAULLE ny talata 9 août 2011 ;
Niezaka ny ho tonga hamonjy ny JMJ MADA 7 2012 DIEGO, rehefa avy nandray anjara na dia kely indrindra tamin’ny fanomanana ny fandraisana sy ny fandehanan’ ny Tanora tamin’ny zavatra kely nangatahan’ny Tompon’andraikitra samihafa, na tany ANTSIRANANA na tamin’ny Vondron’ny Tanoran’ny Diosezy vitsivitsy ;
Zava-dehibe no tsy maintsy hatrehanareo amin’ny taona 2013, dia ny “JMJ ANY RIO DE BRESIL”. Lavitra dia lavitra ny toerana, ary ho sarotra dia sarotra ny fanomanana izany, eo amin’y lafiny rehetra : SARAN-DALANA, SARAN-DASY, SAKAFO… Tsy azo odian-tsy hita izany na hanapena-maso.
Tsy tokony ho latsa-danja amin’ny firenen-kafa ny SOLONTENAN’I MADAGASIKARA, ary tsy ho mena-mitaha amin’ny Tanora avy amin’ny Firenena maro ny Tanora Malagasy ;
Noho izany dia raisinay ho andraikitra dieny izao ny milaza sy manambara aminareo fa :
“HANAOVANAY EZAKA MANOKANA NY HAHAFAHAN’NY DIOSEZY TISRAIRAY HANDEFA SOLONTENA NA DIA IRAY IHANY AZA ; ARY HO RAISINAY ANDRAIKITRA NY FIANTOHANA IZANY”
Noho izany dia mangataka ny VPKT sy ny EPISCOPATn’I MADAGASIKARA, mba handefa haingana aminay ny fangatahana momba izany ; ny fangatahana dia halefa amin’ny “ASSOCIATION SOLIDARITE CLEMENT MADAGASCAR” (eo ambany fikarakaran’I Jacques Denis RABEMAHARO, Secrétaire Général) ;
Angatahana ny Président du Comité d’Organisation des JMJ MADA7, mba hampita izany hafatra izany amin’ny Mpivory rehetra aty ANTSIRANANA (5 au 10 septembre 2012)
Mitondra anareo am-bavaka mandrakariva, mba hiorim-paka lalina dia lalina ny FINOANAREO

Rabemaharo Jacques denis (Kandida ho Filoham-pirenena Malagasy 2013)


MESSAGE AUX PARTICIPANTS JMJ MADA DIEGO
« PORTEZ VOTRE REGARD SUR LES JMJ DE RIO 2013 »
OBJECTIF : UN JEUNE PAR DIOCESE !

Nous nous engageons à prendre en charge un jeune par Diocèse pour les JMJ de RIO 2013 ;
Par conséquent, nous demandons aux responsables Nationaux des jeunes (VPKT/CNCJ) et à l’Episcopat de Madagascar d’adresser dans les délais les meilleurs une demande dans ce sens à « L’ASSOCIATION SOLIDARITE CLEMENT MADAGASCAR » (sous couvert de M. RABEMAHARO Jacques Denis, Secrétaire Général) ;
Nous demandons au Président du Comité d’Organisation des JMJ MADA7de Diégo de communiquer à tous les participants ce message ;
Union de prière, et « soyez enracinés dans la Foi »

Rabemaharo jacques denis (Candidat à la présidentielle de Madagascar 2013)



08/09/2012
0 Poster un commentaire

Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 27 autres membres