AOVIVAORHE MADAGASCAR

AOVIVAORHE MADAGASCAR

GOVERNEMENTA ELA FIEMBOKA SA AMBATOBEVOHOKA ?

GOVERNEMANTA ELA FIEMBOKA KA HO MAY LAMBA !

SA HO AMBATOBEVOHOKA?

 

 

Raha maika loatra dia ataon’ny olona hoe “may volon-tratra” ; raha ela loatra dia hatao hoe “ela fiemboka”.

“Ny marina mitavozavoza hono ilaozan’ny lainga tsara lahatra”.

 

Ho feno roatokom-bolana rahampitso ny nanendrena an’Ingahy Jean Omer BERIZIKY (JOB) ho Praiminisstra, nefa hatramin’izao dia tsy mbola misy tokony ny Governemanta ; mbola tsy heno hoe mamofompofona akory azy, fa tena mbola ao anaty karanany. Raha izao no mitohy dia mety ho maty an-karanany toy ny Governemanta MANGALAZA Eugène, izay “NANGALAZA TSY IHINANA TOY NY VILIAN-TSAHONA”.

 

Ny mahagaga amin’izy ity moa dia ny fitsimbadihan’ny baolina ; hita fa mankafia ny baolina an-kitra ny mpanao politika Malagasy ka toy ny baolina ihany koa no fiheverany ny politika ; ao ny tia tena ka tsy mijery ny sasany fa dia manao ampihi-mamba ny baolina hatrany amin’ny harato. Misy ny sasany tsy lany tamin’ny selection fa misisika ihany ; tsy iza izany fa ireo tsy nanao Sonia ny tondrozotra nefa anisan’ny nametraka voalohany ny lisitra hiditra ao amin’ny Governemanta izay tsy nekeny. Milaza tsy tia nefa mihinana ihany. Etsy an-daniny kosa ny sasany efa lany “selection d’office”, nefa nihemotra rehefa tena hiditra ao amin’ny raharaha mafana, satria tsy voafidy ho “capitaine” !

 

Sarotra dia sarotra tokoa ny fizotran’ny politika eto Madagasikara , ka mahatonga ny fanontaniana hoe : lany olomanga ve i Madagasikara ka sarotra ho an’Ingahy  Jean Omer BERIZIKY ny manangana Governemanta ? Sao kosa be loatra ny olomanga ka tsy hita izay ho raisina, sa be tsy andraisana toy ny…?

Tsy azo oharina amin’ny Firenena mandroso isika, satria ny an-dry zareo dia andro iray ihany dia voatsangana ny Governemanta, fa tsy mialin’andro ; raha voatendry maraina ny Praiministra, ny hariva ihany na ny atoandro dia efa tafatsangana ny Goeverneamanta. Ohatra ny any Italie, raha vao tsy misy ilana azy  intsony ny Praiministra avy dia soloina Praiministra hafa izay manangana Governemanta haingana. Raha misy krizy dia mety miandry roa na telo andro farafahabetsany dia mitsangana ny Fitondrana vaovao. Ny any Grèce dia hafa kely, satria somary niovaova hevitra ny Praiministra teo aloha, ary nandroso nihemotra toy ny lelon-jaza ; nefa rehefa tsy ho izy intsony,  avy hatrany dia esorina fa tsy hiandry tapa-bolana, satria tsy maintsy hiatrika haingana ny krizy goavana ny Governemanta vaovao. Ny antsika toa tsy mahatsikaritra an’izany ; zary ka manararaotra ireo Minisitra teo aloha  manao ny danin’ny kibony sy manao baranahiny satria mitaveravera ny fananganana ny Governemanta vaovao, dia ry zalahy no tompon’ny laka.

 

ANDRIAMATOA BERIZIKY ASEHOY HAINGANA FA IANAO NO MITONDRA NY BAOLINA FA AZA METY HOLALAOVIN’NY MPANAO POLITIKA RATSY MALAGASY, NA INONA NA INONA TOERANA MISY AZY. AOKA TSY HIANDRY VAZAHA HATRANY NA FOTSY IZY NA MAINTY. MANANA NY MAHA IZY AZY NY FIRENENA MALAGASY ARY FALY MANANA ANAO. KA AZA MANDISO FANANTENANA AZY. ATSANGANO HAINGANA NY GOVERNEAMANTA FA BETSAKA NY ASA SY NY ADIDY MIANDRY. RAHA MIANDRY ELA LOATRA IANAO DIA HO MAY LAMBA ARY HO AMBATOBEVOHOKA NY GOVERNEMANTA. AOKA HIROSO HAINGANA AMIN’NY FANOMANANA NY FIFIDIANANA. AZA RAHARAHAINA IREO MPANOHADRENIRANO SY MPANAO ATSANGA TSY AMAN’ORANA. TSINJOVY NY HO AVIN’I MADAGASIKARA  SY NY FIRENENA MALAGASY.

 

RABEMAHARO JACQUES (HO FILOHA)



10/11/2011
0 Poster un commentaire

Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 27 autres membres