AOVIVAORHE MADAGASCAR

AOVIVAORHE MADAGASCAR

MITOMANIA RY MPIRAY TANINDRAZANA

MITOMANIA RY MPIRAY TANIDRAZANA !!!

 

Maro ireo zavatra efa nahazo ny firenentsika, nefa dia nozakaintsika hatrany izany satria "NY TSIHY NO FOLA-MANDEFITRA FA NY OLONA TSY MBA FOLA-MANDEFITRA".

Hararaotin'ny sasany tsy valahara anefa izany fandeferana lehibe izany ary heveriny ho fahalemen-tsaina sy fahadondrinana, ka dia zary hitsakitsahana tsy ananany antra ny Zanak'i Madagasikara, amin'ny alalan'ny fahefana nalaina an-keriny sy anaovany bodongerina na dia teo aza ny fifanarahana samihafa tao amin'ny Carlton, Addis-Abéba sy Maputo...

Ankehitriny dia mameno ny fonja ireo olona niseho hiaro ny ara-dalàna, rehefa nataon'ny am-ponja ireo mpamoaka vaovao sy mpitano fampielezam-peo tsy mifanaraka amin'ny fiheviny ; anaovany herisetra (tortures, sévicesn, viols...) ireo rehetra miseho manohitra ny heviny. Tsy misy fanehoan-kevitra malalaka intsony eto amin'ny Firenena sy ny Tanindrazana ; na dia ny Fitsapana hevi-bahoaka aza dia azony vidiny amin'ny vola tsy nisasarany na nitsembohany ; vola adala tompo ny hiafaran'ireny, satria "misy farany ny zava-drehetra", ary toy ny kodiaran-tsarety ny fiainana ka izay "Ambony mbola ho ambany" ary izay hitsakitsahany an'io dia mbola hanitsakitsaka azy rahampitso.

Tsy hanao nofy ririnina anefa isika, na hanao kalon'antitra ka tomany fotsiny no hiafarany, fa tsy maintsy vonona ny handray andraikitra tsy an-kiandry intsony satria "Aina ity hoy i Rainimanonja ; Halohalika ny ranom-bary ka izay tsy mihetiska dia marary" ;

Tsy malemy loha, na saina anefa ny Malagasy ; ary tsy hanaovana "Ramatahora hatrany" fa vonona ny hiara-mioitra sy hioko ary hilaza hoe :" AOK'IZAY ! OVAO NY TOE-TSAY ! ANDAO HANAO VY VERY NY AY"

Hiova izao toe-javatra izao raha tahiny samy mahatsiaro saina ny Malagasy tsirairay ary afaka hilaza hoe : "AOK'IZAY" (ça suffit ! hoy n y teny baiko);

Nefa tokony harahana fiovan'ny TOE-TSAINA lomorona izany ; mila fivoarana ny tsirairay fa tsy ho matin-kanikely toy ny trondro, na hifaly havanja toy ny akohokely tsipazam-potsimbaryrehefa tondrahan'ny sasany amin'ny "volabe" manam-pahalaniana, na dia eo aza ny fiteny hoe "Aleo homan-kely, toy izay mandry fotsy" ; ireny no mpamadika ny samy Malagasy, tsy matahotra ny hivarotra ny havany na ny ankohonany. Mba mahaiza mitsinjo ny ampitso sy ny ho lava, fa tsy "hitono tena toy ny lolo kely mahita jiro". Ny asa no fototry ny harena ; ny vola mora azo dia mora lany ary mety hampanenina, tahaka ny nataon'i Jodasy, nivarotra ny Tompo tamin'ny kely foana ! (30 deniers).

Tsy ho mora ny FIOKOANA ; tsy maintsy vonona ny hiharitra ny maharary sy ny mangirifiry ary indraindray ny tsy fisiana ; ary ilana faharetana sy fahaiza-miandry ilay FOTOAM-PAHAFAHANA ; raha hioko, dia tsy maintsy vonona "HANAO VY VERY NY AINY" ; raha tsy izany aleo tsy manao !

KOA ANKEHITRINY IZAY MAHASAHY MANARAHA, MITSANGANA MIVONONA HANDRAY NY ANGADY SY NY HARONA.

AVIA MISOTRO NY RANO VELONA (AOVIV/EAU VIVE),  RANO MAHERY, RANO TSY AZO TOHAINA, TSY MAINTSY HANDRODANA IZAY REHETRA MANAKANA NY LALANA.

IANAREO NO VAHOAKA MANJAKA, VAHOAKA MASI-MANDIDY,

VAHOAKA MADINIKA, TANORA, TANTSAHA !

IANAREO NO OLOM-BAOVAO, HITONDRA AINGA VAOVAO, RIVO-BAOVAO HANASOA NY TANINTSIKA, IANAREO NO HERY VAOVAO ANDRANDRAIN'NY BESINIMARO FA TSY HIANDRANDRA OLONA

MITABE TSY LANIN'NY MAMBA

ATREHI-MAHAVITA / IAMBOHOA-MAHEFA

 

FIOKOANA MANOMBOKA ANIO



24/11/2010
0 Poster un commentaire

Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 27 autres membres