AOVIVAORHE MADAGASCAR

AOVIVAORHE MADAGASCAR

FAMPIELEZAN-KEVITRA (CAMPAGNE)

MITABE ----MANDATEHEZANA

 

Efa mirotsaka an-tsehatra ny mpanao FAMPIELEZAN-KEVITRA sasany : AVY AIZA ? ARY HO AIZA ?

Misy ny lasa aloha ; misy ny mienga aoriana kely :"OMBY IRAY MANDRY TSY IRAY MIFOHA" ;

Ny anay kosa dia hevitra efa voavolavola hatry ny ela, ary tetika efa mipetraka sy nosedraina tamin'ny zava-misy sy hita maso taorianan'ny fihaonana samihafa sy fifanakalozan-kevitra maro ;

Natambatry ny Teknisiana izany ka nanome santatra toy izao :

https://static.blog4ever.com/2010/01/382796/artfichier_382796_170174_201010061628211.pub

Izay mitovy hevitra sy iray vatsy dia tokony hiara-miasa : "IZAY MITOVITOVY NO MILAMBANA" sy mifanolo-tanana mba hiara-mitantana an'i Madagasikara sy ny Malagasy ; fa "TSY HIFANDAKA TOY NY VALALA AN-KARONA" ;

https://static.blog4ever.com/2010/01/382796/artfichier_382796_170172_201010061316603.ppt

Ary ny Malagasy tsirairay avy dia tokony ho tonga saina sy ho afaka haneho ny heviny ary hanao hoe : "AOK'IZAY ! SA TOHIZO NY LALANTSIKA !" ;

Rahefa tsy mety ny atao, na Mpitondra iza izy, na Mpitondra ahoana, dia ny Vahoaka no Tompon'ny teny farany, ny Vahoaka no Masi-Mndidy ;

https://static.blog4ever.com/2010/01/382796/artfichier_382796_170177_201010061801428.pub

Mbola ny Vahoaka ihany no hanome toromarika momba ny Fiovam-penitra, Fiovan-toe-tsaina ; ity farany ity no somary mavestra sy tssy azon'ny sasany matetika ; tsy misy afaka handroso amin'ny Lalana vaovao, raha tsy miova fenitra na miova toe-tsaina ;

 

Raha tapaka ny Fiovana sy ny fametrahana ny tanjona vaovao, dia samy tokony hanao " VY VERY NY AINY"

https://static.blog4ever.com/2010/01/382796/artfichier_382796_170179_201010061932290.pub

AOK'IZAY ! OVAO NY TOE-TSAY ! VY VERY NY AY !

Ny Vahoaka afaka milaza izany no afaka :

MITABE TSY LANIN'NY MAMBA !

MANDATEHEZANA TSY AZO ARODANA !

VAHOAKA ANDRIANINA fa tsy Andevozina !

VAHOAKA MANJAKA fa tsy anjakazakaina !

VAHOAKA MASI-MANDIDY fa tsy ho entina amin'ny orony !

Mitaky OLOM-BAOVAO ! RIVO-BAOVAO ! HERY VAOVAO

 

Jacques Denis RABEMAHARO (Ho Filoha Rahampitso !)

 

 

 



07/10/2010
0 Poster un commentaire

Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 27 autres membres